El Hadary Ylan

Nampindramin'ny Paris FC an'i Valenciennes


  • Talata 26 Aogositra 2025

Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny Paris fa hampindramina herintaona

amin’i Valenciennes Football Club (VAFC) an'i El Hadary Ylan, saingy tsy misy "option d'achat" na herijika ho an'ilay klioba mpindrana mba hividy tanteraka azy. Miverina ao amin'ny Paris FC izy izany afaka herintaona. Mazava ho azy fa ity fifanarahana ity dia heverina fa hanome herijika sy fahafahana bebe kokoa an’i El Hadary haneho ny talentany amin’ny sehatra matihanina, indrindra hananany fotoana ilalaovana na "temps de jeu" kokoa eo amin'ny sehatra matihanina. Raha hiverenana, nalain'ny Paris FC herintaona mahery izay ity mpilalao Malagasy ity, nilalao tao amin'ny U19, voaantso nandrafitra ny ekipa sokajy voalohany nanomana ny taom-pilalaovana na "pré-saison" hiatrehana ny Ligue 1. Ny 8 aogositra teo, niroso tamin'ny fifanasoniavana fifanarahana maha mpilalalao matihanina i El Hadary, fifanarahana mandritra ny 3 taona, saingy io nampindramina ny Valenciennes io. Tsy ho tazana anatin'ny Ligue 1, indray aloha izany ity mpilalalao Malagasy vao erotrerony ity, saingy heverina fa hanana ny toerany any amin'ny Valenciennes FC. Ny mety ho lesoka fotsiny dia ny lentan'ny fifaninanana hisy azy satria avy tao amin'ny Ligue 2 no nivarina any amin'ny National 1 ity klioban'i El Hadary ity amin'izao taom-pilalaovana izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT