El Hadary

Vao avy naratra dia namono baolina


  • Alatsinainy 10 Novambra 2025

Vao niverina avy naratra ny kintan'ny baolina

kitra malagasy, ilay lohalaharana, El Hadary, no avy dia nametrahan'ny mpanazatran'ny klioba ilalaovany ao Frantsa amin'izao fotoana izao, dia ny Valenciennes FC izany, fitokisana avy hatrany. Tompon-toerana, araka izany, ny tovolahy ny faran'ny herinandro teo nandritry ny lalao nihaonan'izy ireo tamin'ny Versaille. Nivahiny tao an-tanin'olona ry El Hadary fa 3 minitra nanombohan'ny fizaram-potoana voalohany nefa dia efa nahafaty baolina ity lohalaharana malagasy ity. Nifarana ady sahala 1 noho 1 moa ny lalao saingy toy ny mahazatra, naneho ny talentany hatrany ny zandry gasy.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT