El Hadary

Nahafaty ny baoliny voalohany ao amin’ny Paris FC


  • Talata 11 Martsa 2025

Ela ny ela! Nahafaty ny baoliny voalohany ao amin’ny Paris FC, Frantsa,

ho an’ireo latsaky ny 19 taona, ihany ilay lohalaharana malagasy 18 taona, El Hadary na El Hadary Raheriniaina, nanoloana ny Andrézieux Bouthéon FC ny alahady teo. Lalao izay nanjakàn’ny Paris FC tanteraka tao an-jaridainan’olona izy ity satria dia nandresy tamin’ny isa mavesatra 1 noho 5 izy ireo. Izy ireo no nanokatra ny isa tamin’ny alalan’i Benoît-Dao teo amin’ny minitra faha 27. Nanampy izany avy eo taty amin’ny fizaràm-potoana faharoa i Mohamed Ba teo amin’ny minitra faha 53. Nanena ny elanelan’isa kosa i Lonan teo amin’ny minitra faha 66, ho an-drizareo mpampiantrano. 3 minitra taty aoriana nefa dia efa tafiditra indray ny baolina faha 3 ho an’ny parizianina, tamin’ny alalan’i Camara. Mbola nanampy izany avy eo ny malagasy, El Hadary, teo amin’ny minitra faha 84 ary mbola nanampy trotraka avy eo i Samy Taleb teo amin’ny minitra faha 90.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT