Sport

Ekipan’ny VBCD Volley Ball Efa manomana fatratra ny taom-pilalaovana 2019


  • Zoma 15 Martsa 2019

Tazana manoman-tena fatratra teny amin’ny kianja ivelan’i Mahamasina nanomboka tamin’ny talata 12 martsa lasa teo ny ekipan’ny VBCD Volley Ball sokajy 1DM sy 1DF eto Analamanga izay vonona tanteraka hiatrika ny taom-pilalaovana vaovao 2019 eo amin’ity taranja ity.

 

Tao aorian’ny disadisa anatiny nisy teo amin’ity ekipa ity tamin’ny fiandohan’ity 2019 ity ka tsy nahafahan-dry zareo niatrika ny lalao CCCOI 2019 natao teto amintsika farany teo dia nisy fandaminana vaovao nataon’ny VBCD ka efa tapitra niala avokoa ireo rehetra nanakorontana tamin’izany. VBCD amin’ny endriny vaovao tarihan’ireo Coach na mpanazatra  ao aminy toa an-dry Rija sy Lanto ary Oscard no hiakan-tsehatra amin’ity taom-pilalaovana 2019  ity araka ny fantatra tetsy Mahamasina. Marihana fa ahitana mpilalao miisa 75 ankehitriny ao amin’ity ekipa ity izay mitsinjara any amin’ny sokajy 1DM sy 1DF, 2DM, JUNIOR Lahy sy Vavy, Minimes Lahy sy Vavy ary Benjamin sy Benjamine.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT