Sport

Ekipan’ny Uscafoot Hizaha ireo taniketsany


  • Alarobia 30 Septambra 2020

Ny taona 2006 no nahenoana fahombiazan’izany ekipan’ny Uscafoot izany farany na ny “Union Sportive de la Commune urbaine d'Antananarivo Football” teo amin’ny fifaninanam-pirenena malagasin’ny baolina kitra, divizionina voalohany.

Ireo mpanaraka ny baolina kitra Malagasy aza moa dia efa niheritreritra mihitsy fa nanomboka teo dia ho tantara sisa izany ekipan’ny kaominin’Antananarivo izay nipoiran-dRakapy Faneva Ima izany. Fantatra omaly ary fa hizaha ireo taniketsany indray manomboka izao ity ekipan’ny kaominina ity ary misy ny laharan-tariby manokana azon’ireo izay liana amin’ny fitsapana na “test” amin’izany. In-droa tompondakan’i Madagasikara dia ny taona 1969 sy 2005 ny Usca foot ary tompondaka lefitra ny taona 2004. Mpandresin’ny fiadiana ny amboaran’I Madagasikara ihany koa izy ny 2005 ary nanao famaranana ny taona 2004 sy 2006. Ny taona 2005 ka hatramin’ny 2007 moa dia ilay frantsay, Jules Accorsi, no nanazatra ny Usca foot.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT