Tao anatin’ny lanonana tsotra dia tsotra notontosaina teny amin’ny kianjan’i Betongolo taminny 10 oktobra lasa teo no nanoloran’ny fikambanana Za’Gasy Godasy sy televiziona ecran plat maromaro ho an'ny kliobana rugby SCB “Sporting Club de Besarety”.
Fiaraha-miasa efa nisy an-taonany maro teo amin’ny roa tonta ary nahitan'ity ekipa ity fahombiazana ity notohizana ity satria nampiaka-danja ny vokatra azony ka nahazoan'ny SCB vehivavy tompondakan’i Madagasikara in-3 ary nisalorany ny maha tompondaka lefitra azy tamin’ity taom-pilalaovana 2018 ity. Ny SCB lehilahy koa dia efa tompondakan’i Madagasikara vokatry ny fanampiana azo ary vao voahosotra ho tompondaka lefitr’i Madagasikara tamin’ny Top 14 farany teo.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.