Sport

Ekipan’ny PSG Frantsa Nanetsika 100 000 euros hiadiana amin’ny hanohanana


  • Alakamisy 07 Mey 2020

Manohy ny asa fanohanana ny ady amin’ny hanohanana « Action contre la Faim » efa natombony tamin’ny fiandohan’ny krizy ara-pahasalamana sy ara—toekarena vokatry ny tsimokaretina covid-19 ny ekipan’i Paris Saint-Germain ao Frantsa.

 

Tamin’ny fampitam-baovao nataony omaly alarobia 06 mey dia nanambara ity ekipa ity dia fa hanolotra fanampiana 100 000 euros hanampiana an’ireo mpikarama sy mpilatsaka an-tsitrapo hoentina hampitaovana azy ireo amin’ity ady amin’ny hanohanana ity. Tafiditra amin’izay ny fividianana aro-vava miisa 100 000 isa sy “lunetes de protection 3000 isa sy “gants réutilisables” 1500 isa ary “blouse de protection” 1000 isa sy “solutions de gel hydro alcoolique » 2000 isa sy «thermomètres » 200 isa ihany koa. Misy ihany koa fitaovana hafa natolotra ny ACT hanohizana ny fitiliana sy fitsaboana an’ireo ankizy hiaran’ny tsy fahampian-tsakafo maneran-tany. Nambaran’Atoa Nasser Al-Khelaïfi Tale Jeneralin’ny PSG fa manoloana an’ity fiparitahan’ny tsimokaretina covid-19 ity dia tena ilaina marindrano ny asa ataon’ny ekipan’ny ACF « Action contre la Faim ».

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT