Sport

Ekipan’ny Fosa Juniors Fc Rendrika fanindroany indray


  • Talata 05 Novambra 2019

Taorian’ny nihintsanany teo amin’ny sehatry ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny ekipa tompondaka, tamin’ny faha-29 septambra 2019 teo tany amin’ny kianja Fréderic Kibasa Maliba

 

 

tany Lubumbashi Rdc Congo rehefa resin’ny ekipan’ny Tp Mazembe 3-1 teo amin’ny lalao miverina, dia resin’ny ekipan’ny Rs Berkane avy Maroc 5-0 be izao ny ekipan’ny Fosa Juniors Fc Madagasikara teo amin’ny lalao miverin’ny fifanintsanana “Playoff – Coupe de la Confédération 2010-2020”  tamin’ny alahady 03 novambra 2019 na dia nandresy 2-0 aza tamin’ny lalao mandroso natao teny Vontovorona tamin’ny alahady 27 oktobra 2019 teo. Rendrika fanindroany  teo amin’ny fifaninanana afrikana izany ny ekipa tompondaka Malagasy 2018/2019. Mampanahy be ihany fa ohatra ny nitohitohy indray tato ho ato ny tsy fahombiazan’ny ekipa Malagasy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Raraka teo amin’ny Champion’s League Afrikanina ny Fosa Juniors Fc, nanara-dia azy koa ny Cnaps Sport teo amin’ny fiadiana ny Amboaran’ny Caf, tsy tafita hiatrika ny fifanintsanana Chan 2020 ihany koa ny Barea tsy misy mpilalao mpila ravinahitra, mbola rendrika fanindroany indray koa ny Fosa Juniors Fc raha niatrika ny 2è session –n’ny Amboaran’ny Caf. Sao dia sanatria hitohy mankany mankany ny tsy fahombiazana raha tsy asiany fijerena manokana haingana ny amin’ny Barea A izay hiatrika lalao goavana 2 hisesy ato ho ato.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT