Notoloran’ny fitondram-panjakana Malagasy ny mariboninahitra « Chevalier de l’Ordre National », teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha omaly alatsinainy 15 jolay 2019, ireo mpilalaon’ny Barean’i Madagasikara avy niatrika ny CAN 2019 niaraka tamin’ny mpanazatra Nicolas Dupuis.
Ny filoham-pirenena nivantana no nanolotra an’izany tamin’ny fomba ofisialy sady nanome ihany koa ny tambin-karama mitentina 250 000 dolara na 905 250 000 mahery kely eo satria 3621 ariary izao ny 1 dolara, ho an’ity ekipam-pirenena Malagasy ity. Namerina ny fankasitrahany an’ireto mpilalao ireto izy tamin’ny nitondran’izy ireo avo ny fanevan’i Madagasikara sy ny nameloman’izy ireo indray ny hambom-pom-pirenena ka nampiray ny vahoaka Malagasy iray manontolo. Marihina fa efa nisy lasa nody any amin’ny toerana hilalaovany baolina, omaly hariva ihany, ny sasantsasany tamin’ireo mpilalaon’ny Barea tonga teto an-tanindrazana ireo. Ny hafa kosa dia miankina amin’ny fifanarahany amin’ny ekipa hilalaovany no hiverenany any aminy ka misy ireo manararaotra miala sasatra kely aty amin’ny fianakaviany aty Madagasikara aloha mandra-piantson’ny ekipany azy.
1,7 miliara ariary
Soa fianatra ! Efa manodidina ny 1, 7 miliara ariary eo izany no vola azon’ny Barea mialoha, nandritra ary taorian’ny CAN…Azo antoka fa hampihetsika ny hambom-pon’ireo atleta Malagasy amin’ny taranja isan-karazany izany ary hahatonga ny mpitondra fanjakana hametraka politika mazava tsara amin’izay ho fampiroboroboana ny fanatanjahantena Malagasy. Ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoham-pirenena rahateo ny fananganana akademian’ny fanatanjahantena.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.