Sport

Ekipan’ny Barea CHAN Nafana ny fitsenana an-dRakool, Jean Yves, Rojo Be


  • Alakamisy 09 Febroary 2023

Noraisina tamin’ny fomba manetriketrika tahaka ny maherifo ireo mpilalao 3 mirahalahy isan’ny nandrafitra ny Barea CHAN tany Algérie dia i Koloina Razafindranaivo na Rakool,

Jean Yves Razafindrakoto, Rojolalaina Andriamanjato. Hafaliana no nandraisan’ny vahoakan’Ambohimarary sy ny manodidina azy ireo, ka vahoaka sesehena no nanotrona azy telo mirahalahy ireo tetsy amin’ny Kianjan’ny Coma Ambohimirary omaly. Ireto mpilalaon’ny Barea telo mirahalahy ireto izay novolavolain’ity Kianjan’Ambohimirary, ary mipetraka ho rehareha sy olo-malaza eny an-toerana ry zalahy ankehitriny noho ny ezaka vitany teo amin’ny baolina kitra, ary mbola manaporofo izany ny hikopahan-dRakool sy Rojo be any ivelany, ary heverina fa hanara-dia azy ireo tsy ho ela ihany koa i Jean Yves izay nitondra ny fandresena ho antsika nahazoana ny laharana fahatelo. Ankoatra azy telolahy ireto, nialohan’izao dia nafana ihany koa ny fitsenana ireo mpilalao hafa, toa an’i Tendry tetsy Ilafy, Dounga teny Itaosy,…
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT