Sport

Ekipan’ny CNaPS Sport Noraisina tamin’ny fomba manetriketrika


  • Sabotsy 10 Desambra 2016

Nigadona omaly teny Ampefiloha misy ny foiben’ny CNaPS ny ekipan’ny CNaPS Sport avy any Itasy rehefa avy niatrika ny lalao farany teo amin’ny fiadiana ny anaram-boninahitra tamin’ny fifaninanam-pirenena « THB Champion’s league ».

 

Raha tsiahivina dia lavon’izy ireo tamin’ny isa mavesatra 4-0 ny Elgeco Plus avy eto Analamanga nandritra ny lalao farany teo amin’ny « Poule des AS » ka nibatany mazava ny anaram-boninahitra maha tompondaka. Voaporofo ankehitriny fa ny CNaPS Sport aloha hatreto ny ekipa sangany indrindra eto Madagasikara. Efa in-telo nibata ny amboaran’ny « CCOI » na ny amboaran’ny klioba tompondakan’ny ranomasina Indianina ihany koa, ary efa fanindiminy tompondakan’i Madagasikara. Tsy mijanona hatreo ny fanamby fa tanjona ny mbola handrombaka sy hitazona hatrany ny amboara efa azo teto an-toerana sy ho lasa lavitra amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena. Nomarihina tamin’ny fotoam-pivavahana ny fahombiazana goavana izao, ka noraisin-tanana sy narahabaina tamin’ny fomba ofisialy ireo mpilalao rehetra. Tsy latsa-danja tamin’izany ny fisaorana ireo mpiasan’ny CNaPS niara-nisalahy sy nanohana ary niombom-po hatrany tamin’ny mpilalao.

Toky R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT