Sport

Ekipam-pirenen’i Mali Anio vao higadona any


  • Alatsinainy 10 Jona 2024

Anio 10 jona maraina vao higadona any Johannesburg Afrika Atsimo ny ekipam-pirenena Malianina,

y hifandona amin’i Madagasikara eo amin’ny andro faha-4 amin’ny fiadiana ny tapakilan’ny « Mondial 2026 », rahampitso amin’ny 4 ora hariva ora Malagasy. Ny sabotsy teo tamin’ny 3 ora maraina tany an-toerana no tokony ho nanainga tao Bamako ny fiaramanidina nitondra azy ireo, saingy tsy afaka nanainga noho haratsian’ny toetr’andro. Voatery nofoanana ihany koa ny sidina efa vita programa noho ny olana ara-teknikan’ny fiaramanidina, ka voatery niandry vahaolana tao Bamako. Tamin’ny fotoana nanoratana, dia mbola teo am-piandrasana ny ora marina hiaingan'ny sidina sy hilatsahany ao Johannesburg izy ireo, ka raha ny vaovao farany, dia amin’ity anio ity amin’ny 10 ora no ho tonga atsy Afrika Atsimo. Tombony ho an’i Madagasikara io satria tsy dia manana fotoana firy hiomanana izany izy ireo, ka tokony ho haintsika ny manararaotra ny tombondahiny. Na izany aza, ekipam-pirenena isan’ny manana ny tanjany sy tena mahay miaraka ny Malianina, ka mila mailo isika. Ny hirariana dia ny hivoahantsika mandresy mba hanatsara ny toerana satria henjana ny ady toerana noho i Mali manana isa 4 ka raha sanatria maharesy dia lasa manana isa 7, kanefa ny ady manoloana ny fitoviantsika isa amin’i Comores sy Ghana izay faharoa sy fahatelo vonjimaika aza manahirana.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT