Sport

Ekipam-pirenena taranja Basketball Hiatrika tompondaka eran-tany 3 karazana


  • Alatsinainy 24 Aprily 2023

Ny 6 sy 7 may izao no hiatrika ny fifanintsanana ho amin’ny tompondaka eran-tany eo amin’ny taranja Basket ball, sokajy vehivavy,

na ny FIBA 3x3 World cup qualifier (Dames) ny ekipam-pirenena malagasy eo amin’ity taranja ity na ny Ankoay, sokajy vehivavy. Atao any Eilat, Israely, io. Ny 30 may hatramin’ny 4 jona kosa, any Vienne, Autriche, ny FIBA 3x3 World cup ( Hommes) na tompondaka eran-tany ihany fa sokajy lehilahy indray ary lalaovin’olona miisa 3 hatrany eto no resaka. Ny 24 jona hatramin’ny 2 jolay moa dia any Debrecen, Hongrie, ny FIBA U19 World cup, izany hoe ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny latsaky ny 19 taona ary lalaovin’olona miisa 5 kosa amin’izay. Miha manakaiky hatrany ny fotoana fa ny ekipantsika andeha ho tohanana foana moa, hoy hatrany ny fanentanana mandeha ataon’ireo tompon’andraikitra momba izany amin’izao fotoana izao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT