Sport

Ekipa voafantin’ny Abq Rugby Miditra amin’ny fampivondronana


  • Talata 02 Aprily 2019

Mpilalao rugby mpikambana ao amin’ny Abq « Association du Bas Quartier » niisa 120 no niditra amin’ny fampivondronana teny amin’ny kianjan’Androhibe,

 

 tamin’ny faran’ny herinandro teo, hifantenana  an’ireo mpilalao 30 raikitra handranto lalao any Mahajanga amin’ny volana jolay 2019 izao hiaraka amin’ny ekipan’ny Ftmm Morarano sy ny vétéran Abq ary ireo mpitantana ao aminy. Hetsika izay tafiditra indrindra ao anatin’ny fanamarihan’ny fikambanana ny faha-15 taona niorenany io. Isaky ny alarobia sy sabotsy antoandro izy ireo no hanohy an’izay fampivondronana izany eny amin’ny kianjan’i Morarano ka hivoaka any amin’ny faran’ity volana ity ny lisitra raikitra. Nomarihan’i Fafah filohan’ity fikambanana ity teny Androhibe fa hivoaka amin’ity herinandro hitsahana ity ny andiany faharoa amin’ny « survêtements » vaovao homena an’ireo mpikambana.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT