Tonga niara-ory tamin'ny fianakaviany
Tonga niara-ory tamin'ny vady aman-janaka sy fianakavian'i Kira Michel na Maître Kira ny ekipa Fair play, izay ekipana baolina kitra iombonan'ireo zokibe na "vétérans" nilalaovan'ity kintan'ny baolina kitra malagasy fahiny ity farany, omaly alahady. Ny Fair play, raha tsiahivina, no rahalahy faharoan'Itompokolahy farany faha velony. Ekipa izay mbola nanehoany ny talentany na dia teo aza ny taona naha zokibe azy. Inoana fa tsy ho adinoina na oviana eo amin'ny tontolon'ny baolina kitra malagasy ny anaran'ity kintana fahiny ity, izay marihina hatrany fa efa manana kianja mitondra ny anarany ao Andamboly, Toliara.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.