Sport

EFC ACADEMICA


  • Alakamisy 02 Aogositra 2018

Hanainga anio hihazo ny nosy Maorisy hiatrika ny fifaninanana “Trophée International de Foot-ball”

 

 any Port Louis Maurice sokajy 10 sy 13 taona ny 4 sy 5 aogositra izao ny Efc Academica mpitaiza katitakely amin’ny sehatry ny baolina kitra. Ny talata teo dia nomen’ny ben’ny tanànan’Iarivo Lalao Ravalomanana tsodrano sy vatsin-dalana tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely izy ireo.  31 no ao anatin’ny delegasiona Efc Academica hanainga anio, ny 5 amin’ireo raiamandreny sy mpitantana.

 


 

MONDIAL DES VOLCANS

Voahosotra ho tompondaka eran-tany amin’ny fifaninanana an’olon-tokana “Mondial des Volcans 2018” notontosaina tany amin’ny “Maison des Sports de Clermont France” tamin’ny sabotsy 24 jolay teo, ilay tovolahy Malagasy Zigle “Rakotondrainibe Jean Daniel “, 17 taona. Resiny tamin’ny 13-7 ilay Frantsay Sébastien  Rousseau tompondaka tamin’ny 2016.


 

TEATRA MALAGASY

Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin'ny AATM “Association des Artistes du Théâtre Malagasy”/ FMTM “Fikambanan'ny Mpanao Teatra Malagasy” amin'ny “Alliance Française” eo amin'ny famohazana indray ny teatra eto Antananarivo. Ny Tropy Antananarivo Teatra no nisehatra ny piesy Lakile 2 natrehin’ny minisitry ny kolontsaina sy ny minisitry ny harena ankibon’ny tany   tamin'ny alahady 25 jolay 2018 teo. Ny Tropy Jeannette andiany fahatelo B kosa no hamoha ny tantara “Ny tsy amoizako azy” nosoratan'i Jasmina Ratsimiseta amin’ny tolakandron’ny alahady 05 aogosita 2018 ho avy izao mbola etsy amin’ny AFT Andavamamba ihany.

 


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT