Sport

Ecole de Foot FSN Hanomboka amin’ny 14 martsa ny fanazaran-tena


  • Alatsinainy 02 Martsa 2020

Nambaran’ny filohan’ny FSN « Firaisana Sab-Nam » , Atoa Randriamanjato Roger,

 

 ofisialy teny amin’ny lanonana fifampiharahaban’ny fianakaviamben’ny klioba teny amin’ny « Espace Bouba » eny Ambohitrinimanga Anosy Avaratra tamin’ny sabotsy 28 febroary 2020 lasa teo ka nisian’ny fiaraha-nikorana sy fiaraha-nisakafo ihany koa fa «  hanomboka amin’ny sabotsy 14 martsa 2020 » ho avy izao ny fanazaran-tena voalohany ho an’ny sokajy U 10 ka hatramin’ny U 16 ho an’ny « Ecole de Foot FSN » naverin-dry zareo natsangana eny amin’ny faritr’i Sabotsy Namehana eny ka ao amin’ny kianja Frère Orion Niste ao Antsofinondry no hanatanterahana an’izany. Hisy ny dinika fampahafantarana an’ireo raiamandreny izay liana hampiditra ny zanany ao amin’ity « Ecole de Foot » amin’io fotoam-panokafana io satria tsy hiompana fotsiny amin’ny fampianarana ny fototry ny baolina kitra tsy akory ny tanjon’ny FSN amin’izao hetsika ho tanterahiny izao fa fanabezana manontolo mihitsy an’ireo ankizy ao aminy (fampianarana ara-moraly sy fanabezana olom-pirenena vanona ary fampianarana tenim-pirenena hafa sy lesona an-tsekoly ihany koa). Nomarihan’Atoa Roger ihany koa fa mbola hisy ny fampiofanana an’ireo « encadreurs » rehetra hiandraikitra ny fampiofanana an’ireo ankizy beazina ao amin’ity « Ecole de Foot FSN ». Marihana fa voaresaka tao amin’ity lanonam-pifampiarahaban’ny FSN nahatratra ny taona 2020 ity ihany koa ny fiomankomanana dieny izao amin’ny fanamarihana manetriketrika ny faha-65 taonan’ny fikambanana amin’ity taona 2020 ity.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT