Sport

Ecole de Foot-ball Academica Nankasitraka an’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana


  • Zoma 31 Aogositra 2018

Tonga nitondra fisaorana ho an’ny Ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna Analakely omaly alakamisy 30 septambra ireo ankizy mpianatra,

izay avy ao amin’ny Ecole de Foot-ball Academica Mahamasina sy ny ray aman-dreniny. Noho ny tolo-tanana nataon’ny Ben’ny tanàna azy ireo niatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena tamin’ny baolina kitra natao tatsy amin’ny Nosy Maorisy no antony. Niatrika ny fanasan’ny “Association des éducateurs de Foot-ball de Port Louis” izy ireo. Niisa 64 ny mpandray anjara, ka anisany i Madagasikara . Vokany, teo amin’ny laharana fahatelo tamin’ireo mpifaninana ny Ecole de Foot-ball Academica Mahamasina ka nahazo ny medaly alimo, voalohany ny Nosy Maorisy nahazo ny medaly volamena, ny faharoa Nosy La Réunion nahazo ny medaly volafotsy. Natolotr’izy ireo ny Ben’ny tanàna Antananarivo Renivohitra Lalao Ravalomanana ny medaly alimo sy ny amboara azon’izy ireo tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena teo amin’ny baolina kitra izao.

Nangonin’i Jean D.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT