Fahombiazana tanteraka no azo, hoy ny filohan’ny FMA « Fedesiona Malagasin’ny taranja Atletisma », Andriamahazo Norolalao, teny
Anosy tamin’ny fanatontosana ny hetsika « Eau vive Athletisme pour tous » andiany faha-7 notontosaina nanodidina ny farihin’Anosy omaly alahady 26 janoary 2020 maraina. Mpihazakaka nahatratra 1500 isa no tonga nandray anjara tamin’ny ankapobeny izay nahitana orinasa niisa 12, ireo nanao hazakazaka nifampitohy nisy ekipa 12 avy amin’ny sekoly samihafa, ary mpihazakaza lahy sy vavy nahatratra 70 isa nandray anjara tamin’ny « 30 mn défi du Lac Anosy » ka hisaorana ny rehetra izany.
Vokatra azo : « 30 mn défi du lac Anosy » : Lehilahy-1° : Edwin (FIGN) : 8 150 m -2° : Relako Ralay(Primature) : 8100 m -3° : Falintiana Randrarivao :8 000m. Vehivavy-1° : Jeanne Pierrette Rasoarivelo : 6250 m -2° : Razafindrabodo : 5370 m -3° : Miora Rasoanirina : 5 070 m. Relais inter-établissements : 1° : LTC (2è équipe ) : 4.16.5 -2° : LJJR : 4.20.1 -3° : Avotra : 4.21.2. Andrim-panjakana mendrika indrindra : Cnaps (nanana mpandray anjara niisa 170). Orinasa mendrika indrindra : STAR (nanana mpandray anjara niisa 46 mpandray). Sekoly mendrika indrindra : LTC (nanana mpandray anjara niisa 100).
Any Antsirabe indray ny hetsika manaraka hokarakarain’ny FMA amin’ny 8 febroary 2020 ho avy izao dia ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny Cross Country.
1
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.