Sport

« Eau vive Athletisme pour tous » andiany faha-7 Fahombiazana tanteraka no azo, hoy ny FMA


  • Alatsinainy 27 Janoary 2020

Fahombiazana tanteraka no azo, hoy ny filohan’ny FMA « Fedesiona Malagasin’ny taranja Atletisma », Andriamahazo Norolalao,

 

 

teny Anosy tamin’ny fanatontosana ny hetsika « Eau vive Athletisme pour tous » andiany faha-7 notontosaina nanodidina ny farihin’Anosy omaly alahady 26 janoary 2020 maraina. Mpihazakaka nahatratra 1500 isa no tonga nandray anjara tamin’ny ankapobeny izay nahitana orinasa niisa 12, ireo nanao hazakazaka nifampitohy nisy ekipa 12 avy amin’ny sekoly samihafa, ary mpihazakaza lahy sy vavy nahatratra 70 isa  nandray anjara tamin’ny « 30 mn défi du Lac Anosy » ka hisaorana ny rehetra izany.

Vokatra azo : « 30 mn défi du lac Anosy » : Lehilahy-1° : Edwin (FIGN) : 8 150 m -2° : Relako Ralay(Primature) : 8100 m -3° : Falintiana Randrarivao :8 000m. Vehivavy-1° : Jeanne Pierrette Rasoarivelo : 6250 m -2° : Razafindrabodo : 5370 m -3° : Miora Rasoanirina : 5 070 m. Relais inter-établissements :  1° : LTC (2è équipe ) : 4.16.5 -2° : LJJR : 4.20.1 -3° : Avotra : 4.21.2. Andrim-panjakana mendrika indrindra : Cnaps (nanana mpandray anjara niisa 170). Orinasa mendrika indrindra : STAR (nanana mpandray anjara niisa 46 mpandray). Sekoly mendrika indrindra :  LTC (nanana mpandray anjara niisa 100).

Any Antsirabe indray ny hetsika manaraka hokarakarain’ny FMA amin’ny 8 febroary 2020 ho avy izao  dia ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara amin’ny Cross Country.

1

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT