Sport

« Eau Vive Athletisma pour Tous » andiany faha-7 Zava-baovao ny « 30 mn défi du Lac Anosy »


  • Alakamisy 16 Janoary 2020

Hotanterahina amin’ny alahady 26 janoary 2020 izao ny hetsika « Eau Vive Athletisme pour Tous » andiany faha-7

 

sady fanokafana ofisialy ny taom-pilalaovana atletisma taona 2020. Araka ny nambaran’ny FMA « Federation Malagasy d’Athletisme » niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy tarihan’ny Eau Vive sy M-Vola tamin’ny fitafana tamin’ny mpanao gazety tetsy Alarobia tamin’ny talata 14 janoary 2020 teo dia ny fifaninanana hazakazaka « 30 mn défi du Lac Anosy » no hetsika vaovao hisongadina ao anatin’ny andiany faha-7 ity ankoatra an’ireo hetsika hafa efa nahazatra tamin’ireo andiany rehetra teo aloha dia ny fihodidinan’ny rehetra in-2 ny farihin’Anosy sy ny « relais inter-ecoles » ary ny Zumba handraisan’ny rehetra anjara. Arakaraka ny zavatra hatao ny sarany haloan’ny mpandray anjara amin’izany mianga amin’ny 1000 ar (ankizy) ka hatramin’ny 200.000 ar (Institution). Amin’ny zoma 24 janoary izao no fara fisoratana anarana (eny amin’ny FMA sy Ortana ary amin’ny M-Vola). Vaovao hafa nambaran’ny filohan’ny FMA koa tamin’io talata io ny hanatanterahana any amin’ny Parc de l’Est any Antsirabe ny fiadiana ny ho tompondakan’ny Cross Country ka izay manana zava-bita tsara indrindra amin’izany dia hisolotena antsika amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ity taranja ity hatao any Lome Togo amin’ny volana aprily ho avy izao. Farany dia fantatra fa voaasan’ny ligin’i La Réunion hiatrika ny fifaninanana “Athletisme inter-iles” karakarain-dry zareo any aminy amin’ny 2 martsa 2020 kosa isika Malagasy.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT