Notontosaina tao Vohidrotra Toamasina II tao amin’ny toerana filalaovana “moto cross” Da Tsara Village ny alahady teo, ny fifaninanana hazakazaka moto tafiditra amin’ny ampahany voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara izay ahitana fifaninanana 10
. Tonga nandray anjara avokoa ireo sangany avy amin’ny ligy 3 hany mbola misy eto amintsika, dia Analamanga – vakinankaratra – ary atsinanana, eo amin’ny hazakazaka moto cross, saingy mbola nasehon’i Tida Claudio avy amin’ny TMC na Tamatave Moto Cross ny maha sangany azy eto amintsika aloha ny alahady teo. Nirefy 3km ny halavan’ny kianja nifaninanana ity, ka ny CT Motors masoivohon’ny moto Kawasaki no nanohana ny fifaninanana East Cross tao Toamasina ity. Aorian’i Toamasina izay mbola handray fifaninanana 2 amin’ireo 10 tsy maintsy atao hahazoana ny tarehimarika amin’ny maha tompondakan’i Madagasikara, dia i Ilalaka indray no handray ny andiany faharoa amin’ny hazakazaka. Ankoatra izay dia hanangana ny liginy ihany koa ny ao Atsimo Andrefana sy DIANA amin’ity taona ity. Mba hisian’ny fampirisihana ho an’ireo mpitia ny moto cross nefa tsy mbola matihanina, dia nisy koa ny fifaninanana natokana ho azy ireo nantsoina hoe MOTO II, izay nahafahan’izy ireo nanandrana izany fifaninanana nasionaly izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.