Sport

DRJS Anosy Tsy fantatra izay tena tompon’andraikitra


  • Zoma 05 Septambra 2014

Velon'ahiahy amin'ny hoavin'ny tanora sy ny fanatanjahantena ny mponina any amin'iny faritra Anosy iny. Zava-misy, tsy misy tokotaniny ary tsy mazava amin'ny mpitia fanatanjahantena sy ireo tanora ny tena tompon’andraikitra

eta content="text/html; charset=utf-8" http-equiv="Content-Type" /> eta content="Word.Document" name="ProgId" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Generator" /> eta content="Microsoft Word 12" name="Originator" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_filelist.xml" rel="File-List" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_themedata.thmx" rel="themeData" /> ink href="file:///C:\Users\admin\AppData\Local\Temp\msohtmlclip1\01\clip_colorschememapping.xml" rel="colorSchemeMapping" />tyle type="text/css">

Na eo aza ireo lazaina fa tompon’andraikitra ao amin’ny talem-paritry ny tanora sy ny fanatanjahantena (DRJS) dia toa zary hazo manaloka fotsiny, tsy hita izay asa mivaingana ho amin'ireo sehatra roa ireo. Ireo olon-tsotra manam-piniavana ihany no manao hetsika ara-panatanjahantena indraindray. Antony iray lehibe nampihemotra ny sampandraharaha voalaza ny tsy fisian'ny olona mahavoafehy tsara ny andraikitra nampiantsorohana ireny olona ireny. Porofo mivaingana, zary gisitra lava ny solontenan'ny faritra Anosy amin'ny fifaninanam-pirenena izay atao. Very hevitra manoloana izany ireo tanora. Mbola manampy trotraka ny tsy fahavitan'ny kianja tokan'i Fort Dauphin (Ampasamasay). Kianja izay nosimban'ny fitondrana FAT hatao manara-penitra saingy tsy tanteraka mandraka ity ny androany. Manoloana izany, manao antso avo amin'ny dokotera Jean Anicet, minisitra mpiahy ireo tanora sy ireo mpitia fanatanjahantena any an-toerana hanendry ao anatin'ny fotoana fohy ny talem-paritra paritra. Fanirian'izy ireo mba ho olona mahafehy tsara ny fanatanjahantena sy ny tanora amin'ny ankapobeny.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT