Sport

Dominique Castano Tsara trandrahana ho Barea dieny izao


  • Talata 01 Septambra 2020

Feno 18 taona ny 12 novambra 2002 izao ilay Irakiraka havia milalao ao amin’ny Atletico Madrid, sokajy U 19, Dominique Castano.

 

 

 

Teto Antananarivo izy no teraka ary manana ra Malagasy na dia mizaka zo Espaniola aza hatreto. Na dia somary mbola kelikely vatana aza ity zandrikely ity dia mampiavaka azy ny fananany teknika ambony kokoa raha oharina amin'ny salan-taonany. Eo ihany koa ny fahaizany sy ny fahitany ny lalao amin'ny fotoana tsara tokony hizarany na handraisany ny baolina. Mpilalao baolina tena mitsoridriaka izy ary tena poizina kely ho an'ireo mpifanandrina aminy raha ny nambaran'ireo teknisiana nitily azy hiditra ao amin’ity klioba fanta-daza ity. Tsara trandrahana handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasin’ny baolina kitra na Barea dien’izao noho izany ity ranamana ity satria tena hita fa tokony hanana hoavy mamiratra.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT