Dom tom cup

Tompondaka indray ny Barea


  • Talata 02 Jolay 2024

Tompondaka faninefany ny Barean’i Madagasikara na ny ekipam-pirenena malagasy

eo amin’ny taranja baolina kitra, teo amin’ny fifaninanana Dom tom cup andiany faha 12. Nifarana ny alahady teo tao Bonneuil-sur-Marne, Frantsa, moa ity fifaninanana iraisampirenena nandritry ny 2 andro ity. Ny taona 2013, 2014, 2023 ary izao 2024 izao, raha tsiahivina, no nahazoan’ny malagasy ity anaram-boninahitra ity. Vao 5 minitra niatombohan’ny lalao no namono ny baolina tokana nandresena ny ekipam-pirenen’i Guyane tamin’ny isa 1 noho 0 i Rinjala Raherinaivo nandritr’ity lalao famaranana ity. Tsiahivina ihany koa fa tamin’ny alalan’ny tsotsoromamba na «Tir au buts» 5 noho 4 no nandresen’ireto mpilalaon’i Daniel Vanden Torren sy Tojo Razakarivony ny ekipan’i La Reunion teo amin’ny manasa-dalana rehefa samy tsy nisy nitoko tao anaty fe-potoana ara-dalàna. Hatrany amin’ny lalao isam-bondrona izany dia fandresena hatrany ary tsy nidiram-baolina mihitsy tanaty fe-potoana ara-dalàna ny Barea. Nandresy 1 noho 0 an’i Défi Outre-mer. 1 noho 0 koa nanoloana ny RISI Ultramarine. 1 noho 0 nanoloana an’i Martinique.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT