Sport

Doda Andriamiasasoa “Manam-bola tsara ny FMF”


  • Alarobia 14 Febroary 2018

Miroso hatrany isika amin’ny fampandrosoana ny baolina kitra Malagasy, hoy ny filohan’ny FMF am-perinasa Doda Andriamiasasoa, tafaresaka tamin’ny mpanao gazety teny Carion tamin’ny faran’iny herinandro lasa iny.

Marina fa nangataka ny hampiatoana ny fifidianana rafitra samihafa tanterahina eto amintsika tao ho ao ny FIFA na Federasiona Iraisam-pirenen’ny baolina kitra maneran-tany raha mifanaraka amin’ny lalàna Malagasy izany ary dia miandry azy ireo ho tonga eto Madagasikara hanara-maso ny zava-misy marina isika. Mitohy hatrany anefa ny ezaka fampandrosoana an’ity baolina kitra Malagasy ity tahaka ny fanomezana fampiofanana samihafa ny fandefasana an’ireo ekipa misolotena antsika amin’ny lalao Afrikanina sy ny fanohizana ny fanomanantenan’ny Barea hiatrika ny “qualification CAN 2019”. Mikasika ity farany indrindra dia nambaran’ny filohan’ny FMF fa hisy ny lalao ara-pirahalahiana hifanaovan’ny Barea amin’i Togo any Frantsa amin’ny volana martsa 2018 ary hisy koa lalao iray hafa hifanaovana amin’i Cameroun. Malalaka ny fiantsoana an’ireo mpilalao rehetra any ivelany any ankehitriny, hoy ihany i Doda Andriamiasasoa, ary ambarako etoana fa manam-bola ny federasiona matoa hanome prime 10 tapitrisa ariary ho an’ireo mpilalaon’ny Barea raha tafita hiatrika ny CAN 2019 ka mila fifanarahana amin’ny FMF ihany ho an’ireo manangom-bola ho an’ny Barea toy ny fanamboarana Tee-shirt, ohatra.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT