Sport

Doda Andriamiasasoa filohan’ny FMF teo aloha Kandida tsara toerana ho PAM vaovao


  • Alatsinainy 17 Jona 2019

Kandida maromaro nirotsaka ho filohan’ny FMF “Federasiona Malagasin’ny Baolina kitra” tamin’ny taona 2018 lasa teo no tsara toerana eo amin’ny vokatra vonjimaikan’ny fifidianana solombavambahoaka 2019 navoakan’ny Ceni tamin’ny sabotsy 15 jona 2019.

 

 Ao ny kandida Rakotomamonjy  Nepatraiky Andre tao amin’ny distrikan’i Ihosy avy amin’ny tsy miankina nahazo salan’isa 30.60%, ny kandida Randriamanampisoa Alfred tao amin’ny distrikan’Antsirabe faha-2 nahazo ny salan’isa  40,60% ary  ny kandida Andriamiasasoa Doda Nirimboavonjy tao amin’ny distrikan’i Manjakandriana avy amin’ny IRD nahazo salan’isa 36.21%. Raha io vokatra vonjimaika io, hahazo toerana miisa 84 eny Tsimbazaza amin’ny toerana 151 misy ny IRD manoloana ireo nifanandrina taminy izay 46 isa no toerana azon’ny tsy miankina ary toerana 16 no azon’ny Tiako i Madagasikara nanaraka azy. Raha ny lojikan-javatra dia ny IRD no hahazo ny maro an’isa ao amin’ity Antenimieram-pirenena ity. Mety ho azo antoka ny  handrombahany ny toerana ho PAM “Filohan’ny Antenimieram-pirenena” ho avy ka tsara toerana ny kandida Andriamiasasoa Doda (Manjakandriana)  noho izy efa zatra nifandray sy nitantana an’ireo filohana ligin’ny baolina kitra miisa 22 misy eto Madagasikara izay fantatra fa samy hafa firehana avokoa.

Ntsoavina Evariste

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT