Disadisan'ny

Federasiona sy ny Mpitsara


  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Tandindomin-doza ny baolina kitra ao Mahajanga

Velon'ahiahy ireo mpitantana klioba, mpilalao, mpijery ary ireo mpitia baolina kitra ao Mahajanga manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Federasiona fa tsy hisy intsony ny lalao fifaninanana nasionaly (PFL sy Amboaran'i Madagasikara) hatao ao amin’ny Faritra Boeny. Araka ny hampahafantatra nataon'ny klioba Fosa Juniors FC dia vokatry ny krizy maharitra avy amin’ny fifandirana misy eo amin’ny vondron’ny mpitsara ao Mahajanga sy ny Federasiona no niavian’izao toe-draharaha izao. Na mety hisy aza ny tsy fitovian-kevitra, tsy misy antony hanakanana ny baolina kitra na hanesorana tanàna iray manontolo amin’ny fifaninanana nasionaly, hoy ny fanamarihana avy amin'ny klioba. Vokany dia manakana ny fandehan’ny baolina kitra ara-dalàna ary manimba ny ezaka nandritra ny taona maro ho fampandrosoana ity fanatanjahantena ity ao Mahajanga ireo sakana ireo. Tandindomin-doza tanteraka ny hoavin’ny baolina kitra ao Mahajanga, koa miantso ny tompon’andraikitra rehetra ny Fosa Juniors FC mba handray andraikitra haingana ary hametraka indray fifampiresahana eo amin’ny andaniny sy ankilany, mba hiverenan’ny toe-javatra ho ara-dalàna, ara-drariny ary azo antoka.
Jean D.
Kianja Rabemananjara ao Mahajanga
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT