Disadisa eo amin'ny

taranja ady totohondry


  • Zoma 06 Martsa 2026

Misy komity milaza hikarakara fifidianana

Mbola hita taratra hatreto ny disadisa misy eo amin'ny tontolon'ny taranja ady totohondry eto Madagasikara. Raha ny vaovao voaray farany izany dia misy ny komity milaza hikarakara fifidianana amin'ny anaran'ny antsoina hoe komitin'ny fanavaozana ny ady totohondry. Nanambara ity komity ity fa mbola tsy misy idiran'ny federasionina eto ny resaka fa seksionina sy ligy. Ny olona tsy voafidy ara-dalàna tsinona, hoy ny fanazavana, tsy afaka mikarakara fifidianana izany. Iarahana amin'ny minisiteran'ny tanora sy fanatanjahantena, amin'ny alalan'ny DRJS na ny fitantanam-paritry ny tanora sy fanatanjahantena eto Analamanga, ny fikarakarana ka ny 25 martsa izao no hanatontosana izany ho an'ny seksionin'i Manjakandriana. 26 martsa ho an'Avaradrano. 27 martsa ho an'Ambohidratrimo ary 28 martsa ho an'Antananarivo. Raha ny andininy faha 97-014 amin'ny lalàna mifehy ny fanantanjahantena nefa no jerena, hoy ny fanazavan'ny mpankafy ity taranja ity iray, dia ny federasionina sy ny minisitera no natao hamaritra datim-pifidianana. Voalaza ihany koa, etsy ankilan'izay fa mandika ny sata olaimpika ny fitakiana anto-bola na "caution" amin'ny filatsahan-kofidiana amin'ny taranjam-panatanjahantena. Raha ny loharanom-baovao voaray hatreto hatrany nefa dia manodidina ny 300.000 Ariary hatramin'ny 1.000.000 Ariary no voalaza fa ho takiana amin'ireo kandida. Andrasana, araka izany, ny fanazavana omen'ny avy eo anivon'ny federasionina tomponandraikitra eo amin'ity taranja ity.
Nangonin'i J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT