Sport

Dimitry Caloin Lasan’ny Fosa Junior


  • Alarobia 23 Febroary 2022

Rehefa azo lazaina ho nisafotofoto teny ny fiainana ara-panatanjahantenan’ilay mpilalao baolina kitra Malagasy, Dimitry Caloin, dia ny Fosa Junior,

divizionina voalohany eto Madagasikara izany manomboka eto no nofidiany hanohizana ny lalana maha vodilaharana afovoany azy. hatramin’ny taona 2010 no nanirian’ity mpilalao goavambe 31 taona, mirefy 1,92 metatra, 73 kilao ity hilalao amina fifaninanam-pirenena ho an’ny klioba divizionina voalohany saingy tsy nety nahita izany intsony nanomboka ny taom-pilalaovana 2019-2020 fa dia teo amin’ny sokajy N1, izany hoe divizionina faha 3, rehefa nilalao tao amin’ny FC Villefranche Beaujolais, Frantsa, na dia efa tao amin’ny ekipan’ny mpilalao fiandry tao amin’ny FC Toulouse, Frantsa, ihany aza nandritry ny taom-pilalaovana 2010-2011. Tao amin’ny Limoges FC, Frantsa ihany, indray, ny taom-pilalaovana 2017-2018, rehefa tsy nanana klioba nandritry ny 6 taona. Nilalao herintaona tao amin’ny SO Cholet avy eo nialohan’ny nandalovany tao amin’ny Villefranche, araka ny efa voalaza teo. Nilalao tao amin’ny fifaninanam-pirenena N2 tao amin’ny FC Fleury 91 indray ny taona 2021 ary dia niafara tao amin’ny FC Angouleme, mbola N2 frantsay hatrany hatramin’ny fiandohan’ity taona 2022 ity. Tsy nety tafala tao Frantsa mihitsy ny lehilahy na dia nisy ihany aza ny fifanarahana tsy mety raikitra tamina klioba hafa toy ny divizionina faharoa iray tao Thailand sy divizionina voalohany moldave ny septambra 2021 teo. Ho hita eo, araka izany, izay ho fivoarany amin’izao izy lasan’ny Fosa Junior izao.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT