Sport

Dihy ara-panatanjahantena : Mpanazatra 30 niofana mikasika ny «danses latines»


  • Alakamisy 25 Martsa 2010

Fiofanana ho an’ireo mpanazatra sy mpampianatra no nisantaran’ny federasiona malagasin’ny dihy ara-panatanjahantena (FMDS) ity taom-pilalaovana ity.

Tsiahivina fa nitsangana ara-panjakana tamin’ny oktobra 2008 ity federasiona ity izay tarihin’ny filohany, Haja André Resampa, izay Sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny Fahefana Avon’ny Tetezamita ary Tale teknika nasionaly kosa Andrianarisoa Rija Manitra izay mpanolotsain’ny minisitra Ramamonjisoa Virapin. I Rija Manitra, izay niofana tany ivelany mikasika ity taranja ity moa no mitarika ny fiofanana izay nanomboka ny 15 martsa ary hifarana ny zoma 26 martsa izao. Mpanazatra 30 mianadahy ahitana andriambavilanitra telo avy amin’ny klioba 30 no manaraka ny fiofanana ary manana solontena ao ny avy any Toliara. Karazan-dihy dimy any amin’ny faritra atsimon’i Amerika na ireo «danses latines» no tena niompanan’ny fiofanana dia ny “samba”, “chachacha”, “rumba”, “paso double” ary ny “jive”. Manaraka ny fomba fampianarana iraisam-pirenena (syllabus international) moa ny fiofanana. Handalo fitsapana ireo mpiofana any amin’ny faran’ny fiofanana ary hahazo mari-pahaizana. Ny federasiona moa no nitsangana vao haingana fa efa nisy hatrany ny hetsika sy fifaninanana tamin’ity taranja ity na ny sehatra nasionaly na ny iraisam-pirenena efa taona maro nifanesy izay. Eo an-dalam-pampiroboroboana sy fanapariahana ny taranja mihitsy ireo teknisianina amin’izao fotoana ka maro ireo fidinana sy fampiofanana any amin’ny faritra ato ato harahin’ireo fifaninanana samihafa toy ny any Toamasina sy Mahajanga ary Toliara.

Hery Rabe
 
 
Fandaharam-potoana 2010
Aprily : Fiofanan’ireo mpitsara
Mey : Fiofanan’ireo mpifaninana
6-10 aprily (Toamasina)
      Fiofanan’ireo mpanazatra
      Fiofanan’ireo mpifaninana
      Critérium de Toamasina
26 aprily – 1 mey (Mahajanga)
       Fiofanan’ny mpanazatra
       Fiofanan’ny mpifaninana
       Critérium de Mahajanga
29 mey : Critérium d’Antananarivo
Jolay : Fiofanana Danses standards
Aogositra : Fiofanan’ireo mpitsara
       Fiofanan’ireo mpifaninana
25-26 septambra :
        Tompondakan’i Madagasikara
Oktobra : Fiofanana «Danses latines»
       Fiofanan’ireo mpanazatra (Toliara)
       Critérium de Toliara
Novambra : Fiofanan’ireo mpanazatra
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT