Sport

Dihy ara-panatanjahantena Hanao seho roa eto ny D’Pendance, kalazan’ny “Danse avec les Stars”


  • Alatsinainy 10 Aogositra 2015

Hanao fampisehoana dihy goavana in-droa miantaona eto Antananarivo ny D’Pendanse izay ahitana ireo mpampianatra dihy matihanina kalaza ao amin’ilay fandaharana “Danse avec les Stars” mandeha amin’ny fahitalavitra frantsay TF1

 

. Tompomarika amin’ny fanafarana azy ireo ny “Conseil Independant de Danse” izay fikambanana nitsangana ny febroary 2015 ary ivondronan’ireo teknisianin’ny dihin’olon-droa, ny dihy mihaja sy ara-panatanjahantena sy ireo tomponandraikitra avy amin’ny orinasa. Ny zoma 28 aogositra eny amin’ny CCI Ivato manomboka amin’ny 9 ora alina sy ny alahady 30 aogositra eny amin’ny lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina no hanaovana ireo seho ireo izay ahitana ny dihin’olon-droa (valse, tango, paso doble, salsa,…) sy ny dihy ara-panatanjahantena. Hiaka-tsehatra amin’io koa ireo mpandihy malagasy sangany amin’ny endriny maro toy ny nentim-paharazana, dihy gasy, hip hop ary ny moderne jazz. Tanjon’ny CID mpikarakara ny fanangonam-bola entina hampandrosoana ny dihy eto amintsika. Imasoan’ity fikambanana ity ny fibanjinana ny tombontsoan’ny taranja amin’ny alalan’ny fifanakalozana eto an-toerana hatrany amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ho an’ny telo taona voalohany dia tanjona ny hiditra mpikamban’ny “World Dance Council”, hitondra fanampiana ireo mpandihy malagasy amin’ny lafiny teknika sy fitaovana. Ankoatra izay ny fampianarana ny dihy ho an’ireo ankizy sy fanomezana fanabezana azy ireo amin’ny alalan’ny dihy, ny famatsiana fitaovana ireo any amin’ny faritra, toy ny kiraro sy kojakoja fampiasa amin’ny fifaninanana, famatsiana ara-bola fampiofanana ireo mpandihy, mpitsara ary mpanazatra, fanokafana taninketsan’ny dihy amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo sekoly. Mandritra ny fandalovan’ny D’Pendanse eto dia hitsidika ny sekolin’i Pere Pedro eny Andralanitra izy ireo.

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT