Sport

Dihy ankehitrio Haneho ny talentany ny «Master Jah»


  • Alatsinainy 26 Aprily 2010

Tarika mpanao soradihy miangaly ny dihy ankehitrio ny Master Jah avy any Antsirabe. Ny taona 2002 no niforonany ary nandray anjara mavitrika hatrany amin’ireo fiofanana sy atrikasa isan-karazany ny tarika.

Tsy nitsaha-nivoatra ny tarika ka tody tamin’ny tanjony ireo mpikambana tamin’ny taon-dasa tamin’ny alalan’ny fahazoan’izy ireo ny amboara Itrotra 2009. Ilay sanganasa nampitondraina ny lohateny “diso ve?” no nandresen’izy ireo lahatra ireo mpitsara tamin’izany. “Tantara anehoana amin’ny alalan’ny soradihy ny fahasamihafan’ny fiainan’ny olona iray manan-katao sy iray hafa izay sahirana ny diso ve ?”, hoy Randriatsitohaina Thierry ao amin’ny tarika. Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny delegasiona Alliance Francaise dia hitety faritra hampahafantatra ny sanganasany amin’ny vahoaka malagasy ny Master Jah. Tanàna dimy no hisehoany an-tsehatra amin’izany ankoatra an’Antananarivo renivohitra. Ao amin’ny Tranompokonolona Analakely ny fampisehoana voalohany ny 29 aprily izao, amin’ny 7 ora hariva, avy eo any Ambatondrazaka eo amin’ny kianja maitso ny 2 mey, ao amin’ny “Foyer Canada” Toamasina ny 5 mey. Miampita ny ranomasina ka haneho ny talentany ao amin’ny Alliance Francaise Sainte Marie ny tarika ny zoma 7 mey ary miverina ao Ambositra ny 12 mey. Hamaranana ny fitetezam-paritra kosa ny fampisehoana ao amin’ny Salle d’oeuvre catholique Morondava ny 15 mey.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT