Sport

Dezy Monstre Notolorana Chevalier de l'Ordre national


  • Alarobia 22 Martsa 2023

Notoloran'ny ministry ny Tanora sy Fanatanjahatena ny mari-boninahitra Chevalier de l'Ordre national i Désiré

Rakotonirina na i Dezy Monstre tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahatena niandrasana ny nofo mangatsiakany mialoha ny hitondrana aza any Fandriana omaly. Tsara fa tara hoy ny fanamarihan'ny maro satria dia niafina fa tena sahirana izy. Ny farany nahitana azy aza dia izy handeha tongotra hamonjy hopitaly eny Itaosy .Mendrika fandatsana noho izany iry fihetsiky ny minisitra Haja Resampa ity satria dia tsy nisy nijery i Dezy fony fahavelony . Fanta-poko fantam-pirenena anefa raha i Dezy Monstre noho ny fahaizana sy ny fahafoizan-tenany ho an'ny baolina kitra .Asa aloha fa fotoana hieritreretana izao mikasika ireo kintan'ny Fanatanjahatena mbola velona. Rehefa nohalalinina mantsy tsy mitondra na inona na inona ho an'ireo taranany ity Chevalier ity. Raha tsy hoe avadika soavaly angamba.
Clément RABARY
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT