Depiote Todisoa Andriamampandry

Nanolotra omby 3 sy ondry 8 teny Anosibe Zaivola


  • Alatsinainy 23 Septambra 2024

Nitora-jofo indray ny kianja Todisoa etsy Anosibe Zaivola Ambohimanarina ny faran’ny herinandro teo.

Ambohipihaonan’ireo mpilalao baolina kitra na tanora na ireo efa zokinjokiny teny an-toerana, ankoatra ireo vahoaka tsy tambo isaina izay sady niala voly no nanohana. Nafana hatrany ny ady baolina kitra fanao eny an-toerana izay niditra indray tamin’ny dingana famaranana, ka toy ny mahazatra dia tonga nanolotra omby lehibe miisa 3 sy ondry miisa 8 ho an’ireo mpilalao sokajy tanora sy « vétérans » tafavoaka mpandresy sy mendritra tao anatin’ny fifaninana ny depiote Todisoa Andriamampandry. « Manohana hatrany ny mpanao fanantajahan-tena, hitaizana vatana mba ho salama tsara sy hahazoana saina matsilo, mba ialana koa amin’ny zava-mahadomelima ary mba ho fialam-boly ho an'ny rehetra », hoy io solombavambahoaka io. Tsy vao sambany fa efa fanaon’ity depiote ity moa ny tahaka izao ho anjara biriky hanohanana ny mpanao sy mpitia fanatanjahantena. Ampahany ihany koa amin’ireo asa sosialy fanaony, ary saika mahazo ny anjarany avokoa ny sokajy rehetra. Fomba firesak’ity depiote ity matetika rahateo ny hoe : tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT