Depiote Todisoa Andriamampandry

Nanohana ny Club ASA Ambohimanarina hiatrika ny “Top 16”


  • Talata 26 Septambra 2023

Nidina ifotony ary nanampy ireo solontenan’ny klioba amin’ny taranja rugby izay natao tao amin’ny Kianja Malacam

Antanimena ny Depiote Todisoa Andriamampandry ny faran’ny herinandro teo. Izy ireo izay manomana ny hiakarana amin’ny TOP 16, ka manana solontena amin’izany ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo amin’ny alalan’ny Club ASA Ambohimanarina. Io klioba io no hiaro ny voninahitr’ity boriborintany ity, ka nankahery ireo mpilalao voafantina amin’izany io olom-boafidy sady mpiahy ny taranja rugby sy ny fanatanjahantena samihafa ity. “Ny olana ho an’ny rugby, na football, na basketball, dia ny tsy fahampian’ny fitaovana. Miezaka hatrany manampy araka izay tratra”, hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry. Nomarihiny fa mitohy ihany koa ny “Tournoi AMBOMA CHAMPION’S TODISOA RUGBY” ary hanolorana omby mifahy sy “maillots” ary fitaovana ny tenany ao anatin’izany. Manohana hatrany ny fanatanjahantena mba ho fampivelarana ny tanora ka tsy haharoboka azy ireo any amin’ny zava-dratsy toy ny fidorohana zava-mahadomelina moa ny depiote Todisoa Andriamampandry, ankoatra ireo asa sosialy samihafa ataony mba hampivoarana ny sosialim-bahoaka, izay mifanindran-dàlana amin’ny asa maha olom-boafidy mpanao lalàna azy.
Toky R


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT