Sport

Delegasionina Réunionais Mbola nilako mpitsara indray!


  • Alarobia 06 Septambra 2023

Tsy levon’ny vavonin’ny ekipam-pirenena Réunionais eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra mihitsy ilay faharesena 1-0

nanoloana ny Barean’I Madagasikara teo amin’ny famaranana nifanandrinan’ny roa tonta ny sabotsy 02 septambra 2023 lasa teo. Raha hiverenena, dia notsofin’ny mpitsara teratany Maorisianina ny kiririoka nanome penalty ho an’ny Malagasy tany amin’ny minitra faha-118 izay efa tao anatin’ny fanalavam-potoana rehefa namely tao anatin’ny faritra tsy azo hivalozana ny mpilalao Réunionais. Nandritra ny lalao dia efa nisy ny fikasihan-tànana ny mpitsara nataon’ny mpilalaon’izy ireo, izay nirohotra nakeny ambony kianja. Nilamindamina ihany na nidongy saika tsy handray medaly aza izy ireo. Nitohy teny Ivato anefa ny tantara omaly! Olona iray anatin’ny delegasionin’ny Nosy La Réunion indray no nikasi-tànana an’ilay mpitsara Gunesh Chutoree afak’omaly, raha ny tatitra. Rehefa nifanena tamin'ny delegasiona Maorisianina, izay nahitana ity mpitsara ity ny Réunionnais dia voalaza fa niantsy ady. Nitohy ny fifamaliana am-bava rehefa nolazain'ireo delegasion'ny fa mpangalatra i Maurice. Rehefa niakatra ny ady hevitra, niafara tamin'ny fikasihan-tanana mihintsy, hoy ny tatitra. Noraisin'ny Polisy misahana ny fiambenana ny sisin-tany na ny PAF an-tanana ny raharaha, natao ny fifanantonana teo amin'ny roa tonta, ary naravona tamin'ny fifonana ny ady. Ny Lalaon’ny Nosy izay natao hampiray fa tsy hampisavorovoro, saingy tsy nanana ny toe-tsaina “fair-play” ry zareo Réunionais”. Afaka 4 taona indray manao valin’ady e!
Nangonin’I Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT