Sport

Dax Andriamirado Arohasina Hiverina hilalao ao amin’ny BAREA


  • Talata 07 Mey 2019

Namoaka fanambarana ofisialy tamin’ny 4 mey 2019 teo ny amin’ny hiverenany hilalao indray eo anivon’ny Barea de Madagascar i Dax “Andrianarimanana Andriamirado Arohasina” mpilalao fahiny tao

amin’ny Fosa Juniors ary lasa nila ravinahitra any amin’ny Kaiser Chief Afrika Atsimo ankehitriny fa : “Amin'ny fo feno hafaliana no anambarako amin'ny fomba ofisialy ny amin'ny fahavononako hiverina hilalao ao amin'ny ekipam-pirenena Malagasy ary hiaro ny voninahi-pirenena. Eto ihany koa aho dia maneho ny fialan-tsiny aminareo mpankafy baolina kitra Malagasy rehetra raha toa ka nisy zavatra nataoko izay nampalahelo anareo. Ankehitriny kosa aho dia hanome indray izay tsara indrindra aty amiko toy ny filalaovako hatrany amin'ny foko rehetra, hatramin'ny naha voantso ahy handrafitra ny ekipa nasionaly hatramin'izay. Ny hamaranako azy dia tiako ny manamarika fa izaho sy ny Comité de Normalisation pour la Fédération Malagasy de Foot-ball dia efa nifanaraka amin'izao fanambarana ataoko izao. Mirary soa ho antsika Malagasy rehetra ny tenako”.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT