Sport

CT Motors Namoaka ny Cross-Car RZR XP TURBO S


  • Alatsinainy 06 Mey 2019

Tsy mitsahatra mamoaka zava-baovao hatrany ny orinasa Polaris CT Motors isan-taona.

 

 

 Ho an`ity taona 2019 ity, dia namoaka ny Cross-Car RZR XP TURBO S, voatokana ho an`olona efatra izy ireo. Anisan`ny tsara indrindra ity tolotra ity satria efa manana “systeme camera” eo anoloana sy aoriana koa torak`izany. Raha tsy mametraka fehikibo aroloza (ceinture de securitè) dia voafetra hatrany ny hafainganam-pandeha azon`ilay mpamily atao. Misy ihany koa ny GPS, izany hoe ireo ny fitaovana manoro lalana an’ilay fiara na amin`ny finday ireny. Ilaina tokoa izy ireny amin`ny fanampiana amin`ny fifamoivoizana an-tanety. Mahakasika ity tolotra vaovao ity hatrany dia ngeza kokoa mitaha an`ilay vokatra teo aloha na teo amin`ny habeny na eo amin`ny kodiarany aza. Efa lasa lavitra ankehitriny amin`ny teknolojia ihany koa izy ity satria efa misy ihany koa fanamafisam-peo mifanaraka amin`izany. Efa enin-taona izao no nivarotra ny entana Polaris indrindra ireo “cross-car” ny orinasa CT Motors ary tsy mitsahatra hatrany ny orinasa manome zava-baovao izay mifanaraka amin`ny filan`ny mpanjifa ary miavaka amin`ny kalitao.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT