Sport

Cross country – Antananarivo renivohitra: Tompondaka i Fabien sy Florence


  • Alatsinainy 01 Febroary 2010

Nanjakan’ny klioban’ny 3FB sy Cabeva ny fiadiana ny tompondakan’ny seksiona Antananarivo renivohitra amin’ny Cross Country natao omaly teny Ankatso.

 

Voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy ‘senior’ lehilahy, Randrianarison Fabien (Cabeva) izay nahavita nandao lavitra an’ilay tompon’ny anaramboninahitra farany sady tompondakan’i Madagasikara rahateo, Randriasoalaza Prosper (Cosfa) izay tara 1’32 tany aoriana vao tafiditra. Anaramboninahitra fahatelo tamin’ny cross country teto an-drenivohitra ity azon’i Fabien ity ary anisan’ny manavanana azy koa ny semi-marathon sy ny 10.000m ary ny 5.000m. Olana ho an’i Prosper kosa ny kirarony nalama sady nisy orana vao maraina rahateo nialoha ny fifaninanana. Tompondaka teo amin’ny senior vehivavy kosa Ramanantenasoa Marina Florence (Cnaps) ary laharana faharoa, Ravaoarisoa Tiana (3FB). Raha ny filaharana araka ny medaly azo dia voalohany ny klioban’ny 3FB izay nahazo volamena 3, volafotsy 4 ary alimo 2. Faharoa kosa ny Cabeva Bevalala izay nandrombaka volamena 3 ihany fa 1 kosa ny volafotsy ary alimo 3. Laharana fahatelo ny Cnaps izay nahazo volamena sy volafotsy ary alimo 1 avy. Notolorana 10 000 ariary sy T-shirt moa ireo voalohany isan-tsokajiny, 7000 ariary sy kasikety ny an’ireo faharoa ary 5000 ariary sy porte-clef ny fahatelo, izay avy amin’ireo mpanohana dia ny Fondation Akbarali sy Orange. Mpihazakazaka 183 avy amin’ny klioba 10 no nandray anjara. Marihina fa iny fifaninanana omaly iny no nentin’ny seksiona Antananarivo renivohitra nifantenana ireo nahavita fotoana tsara afaka hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara hatao any Sakaraha ny 13 febroary izao. Marihina fa ny klioba ihany no hiantoka ireo atletany amin’io fifaninanam-pirenena io.
Hery Rabe
 
Randrianarison Fabien, tompondaka teo amin’ny senior
 
Senior lahy (10km):
1-Randrianarison Fabien (Cabeva):35’25’’
2-Randriasoalaza Prosper (Cosfa):36’57’’
3-Andriamifidy Tojonirina (3fb):37’14’’
Senior vavy (6km):
1-Ramanantenasoa Florence (Cnaps):23’52’’
2-Ravaoarisoa Tiana (3fb):25’39’’
3-Andrianambinina Ninah (Taf):27’08’’
Junior lahy (6km):
1-Randriambolatiana Fenosoa (Cabeva):22’26’’
Junior vavy (4km):
1-Ravelohantasoa Harilalao (3FB)
Cadet (4km):
1-Tsiantery Miangaly (3FB)
Cadette (3km):
1-Raharimalala Fabienne (Cabeva):13’25’’
Minime lahy (3km):
1-Randriamananjara Njakatiana (3FB) :12’54’’
Minime vavy (2km):
1-Vonona Lethicia (ASPTT): 9’43’’

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT