Sport

Critérium U12 andiany fahatelo Ankizy mpankafy basikety maherin’ny 500 no asaina


  • Talata 03 Aogositra 2021

Miditra amin’ny andiany fahatelo amin’ity taona ity ny hetsika Critérium U12. Araka izay anarany izay moa dia fotoana iray izy io ahafahan’ireo ankizy manodidina ny 11 sy 12 taona maherin’ny 500 isa,

mankafy ny taranja basikety eto Madagasikara, mba hampivelatra izay fitiavana sy mety ho talentany izay. Araka ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny MVola, isan’ny mpikarakara ny hetsika moa, dia marolafy ireo fandaharam-potoana ao anatin’izany ka anasana ireo ankizy tafiditra ao anatin’ireo sokajin-taona ireo. Eo ny fampisehoana fahaizana na “demonstration”, ny lalao isan-karazany, fampiofanana ho an’ireo mpilalao sy mpanazatra ihany koa. Tanjon’ny federasionina Malagasin’ny Basket ball, izay tompon’antoka amin’ny fikarakarana ity hetsika ity, ny fitrandrahana ireo ho dimbin’ny ekipam-pirenena Malagasy atsy ho atsy, hoy hatrany ny fanazavana. Hifarana ny 7 aogositra izao ity hetsika atao etsy amin’ny kianja mitafon’ny Akamasoa etsy Andralanitra ity fa etsy ankilany ihany koa dia omena fahafaham-po manokana ireo ankizy hita ho mendrika ao anatin’ny hetsika mba hijery ny fivoahana voalohan’ilay sarimihetsika Space Jam 2 eto Madagasikara izay sarimihetsika iarahana amin’ilay kintan’ny basikety NBA Amerikanina milalao ao amin’ny ekipa malaza LA Lakers, LeBron James.
J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT