Sport

Cristiano Ronaldo « CR7 » Mirotsaka miady amin’ny fihanaky ny coronavirus


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Na dia tsy nanova ny hoteliny ho hopitaly handraisana an’ireo mitondra ny tsimokaretina coronavirus toa an-dry Gary Neville sy Ryan Giggs aza ilay kintan’ny kitra Paortigey,

 

 

 Critiano Ronalado « CR7 » milalao any amin’ny Juventus Italie ankehitriny dia naka tahaka ny nataon’i Jorge Mendes « agent de CR7 » kosa ka nanolotra fanomezana ho fanampiana ny hopitalin’i São João any  Porto amin’ny ady atao amin’ity coronavirus ity. Marihana fa nividy aron’akanjo « blouses médicales » nahatratra 200.000 isa sy « masques » nahatratra 50.000 isa ho hampiasaina ao amin’ity hopitaly ity i Jorge Mendes. Fantatara fa any Madère Portugal miaraka amin’ny fianakaviany ankehitriny i Cristiano Ronaldo manara-maso ny fahasalaman-dreniny  tapaka lalan-drà na voan’ny  AVC “Accident Vasculaire Cérébral » rehefa niera tamin’ny Juventus. Tao amin’ny tambozotran-jotra seraserany kosa no nahitana an’i CR7 nizara savony ho an’ireo 3 amin’izy 4 mianadahy zanany ary nampianatra azy ireo hisasa tanana tsara amin’izao fihanaky ny coronavirus izao.

Marihana  fa efa mahatratra 3 izao ireo mpilalao miaraka amin’i CR7 ao amin’ny Juventus no fantatra fa mitondra ny tsimokaretina covid-19 dia  i Daniele Rugani sy Blaise Matuidi ary i Paulo Dybala.

 

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT