Sport

Cristiano Ronaldo Ballon d’Or 2017


  • Zoma 08 Desambra 2017

Norombahan’ilay Portugais Cristiano Ronaldo fanindiminy ny baolina volamena satria izy no voahosotra ho « ballon d’or 2017 » halina. Ny taona 2008, 2013, 2014 ary 2016 no efa nandrombaka ny fandresena i CR 7.

Izy sy ilay Argentin Lionnel Messi izany izao no mitovy laharana , samy efa nandrobaka in-dimy avy ny anaram-boninahitra mpilalao baolina mendrika indrindra maneran-tany. Izy mirahalahy no nifandimbindimby teo tao anatin’ny 10 taona fa tsy nisy olon-kafa mihitsy. Resy lahatra tamin’ny zava-bitan’i Cristiano Ronaldo tamin’ity taona ity ny mpitsara : Tompondakan’ny ligue des champions 2017 niaraka tamin’ny Real Madrid (lalao 13, nahatafiditra baolina 12, tolotra 6). Mpamono baolina mendrika tamin’ny ligue des champions, mpandresy tamin’ny Liga tany Espagne ( lalao 29, nahatafiditra baolina 26, tolotra 6). Laharana faharoa tamin’ity Ballon d’or 2017 ity i Lionnel Messi, fahatelo i Neymar Jr ary fahefatra i Buffon ilay mpiandry harato mazala Italianina.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT