Sport

Course de montagne – Python patate : Ho any La Réunion Ravaolahy sy Ninah


  • Alarobia 31 Martsa 2010


Ravaolahy sy Andrianambinina Ninah izay samy nahazo medaly volamena tamin’ny 3000m steeple tamin’ny Lalaon’ny nosy 2007 farany teo no handrafitra ny ekipa malagasy hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny Oseana indiana amin’ny «course de montagne» misalotra ny anarana hoe « Python patate » izay hatao any La Réunion ny 4 aprily izao. Fifaninanana isan-tarika izy io ka rafetin’olon-droa lahy sy vavy ny ekipa tsirairay ary hanana solontena amin’izany avokoa ireo Nosy aty amin’ny faritry ny ranomasimbe indiana toa an’i Seychelles, Maorisy, Madagasikara ary La Réunion mpampiantrano. Mitaky hafainganam-pandeha io fifaninanana fihanihana havoana io izay mirefy 10km monja tsy toy ireo course de montagne mahazatra izay mahatratra an-jatony kilometra. Sambany ireto solontena malagasy ireto no hiatrika fifaninanana toy izao fa ny cross no efa nahazatra an-dRavaolahy tany La Réunion ary efa nisalorany anaramboninahitra efatra tamin’ilay cross trophée Lion (2001, 2002, 2003, 2004). Ny mpikarakara no nanasa ary hiantoka ny fiatrehan’izy mianadahy izao fifaninanana izao. Ny 2 aprily izao izy ireo no hanainga.

Hery Rabe

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT