Sport

«Coupe du président» ao Toamasina Fampisongadinana ny talentan’ny tanora malagasy


  • Alatsinainy 16 Martsa 2015

Toamasina no mandray ny « tournoi coupe du président 2015 zone centre », misy ny faritra Analamanga, Atsinanana, Analanjirofo ary Alaotra Mangoro, eo amin’ny taranja basket-ball, izay nanomboka ny sabotsy 14 martsa teo ary tsy hifarana raha tsy ny 22 martsa izao

 

. Na efa nanomboka tamin’ny sabotsy aza ny fifaninanana teo amin’ireo ekipa 16 mandray anjara nozaraina vondrona efatra, dia omaly alahady vao natao ny fanokafana izany tamin’ny fomba ofisialy, izay natrehan’ny sekreteram-panjakana misahana ny zandarimariam-pirenena Jly Paza Didier Gerard. « Nentina ampisongadinana ny talentan’ny tanora malagasy no nanaovana izao fifaninanana izao. Natao ihany koa mba handraisan’ireo ekipa tsy mpiatrika lalao eo amin’ny sehatra nasionaly », hoy ireo mpikarakara ity lalao ao Toamasina ity. Manana ekipa maro mandray anjara amin’izao lalao izao ny ligin’ny basket-ball atsinanana, ahitana ny ASCUT – SQUAD – HKML – 3FB ary ny MEGA INFORMATIQUE. Manaraka azy Analamanga izay nitondra ekipa 4 ahitana ny FANDREFIALA – DBC – FBC – LUCADRO. Manana ekipa roa avy kosa Analanjirofo sy Alaotra Mangoro. Mifandrimbona amin’izao lalao ao Toamasina izao ny federasiona ny basket-ball Malagasy, ny Telma, ny minisiteran’ny Indostria sy fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina, ny minisiteran’ny paositra sy ny fifandraisan-davitra, ny minisiteran’ny tanora sy fanatanjahantena, ary ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena.

 

Rakoutou

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

  • MAFANA TRAIL
  • Alakamisy 03 Septambra 2026

LA TRAVERSÉE DES VALLÉES 2026

Hijery ny tohiny
FTT