Coupe du monde des clubs

Montsana 4-0 ny Real Madrid,


  • Zoma 11 Jolay 2025

hangotraka ny famaranana PSG-Chelsea

Nananamontsana an'i Real Madrid tamin'ny isa mavesatra 4 noho 0 ny Paris Saint-Germain (PSG) nandritra ny manasa-dalan'ny Coupe du Monde des Clubs natao tao amin'ny MetLife Stadium, Etazonia, ny alin’ny alarobia 9 jolay 2025. Fotoana voalohany nifandonan’i Kylian Mbappé tamin’ny PSG Kliobany teo aloha hatramin'ny nifindrany tao amin’ny Real Madrid. Tsy nahovoka ity kintana Frantsay ity sy ny ekipany fa montsana tanteraka. Vao 6 minitra monja dia nokobanin’ilay Espaniola Fabian Ruiz ny haraton’i Courtois. Tsy ela taorian'izay dia namono baolina ihany koa i Dembélé (8’) taorian’ny fahadisoan’ny fiarovan’i Rüdiger. Nanohy ny fahombiazany i Ruiz ka nikobana indray ny harato (23’), nahazo doublé taorian’ny tolotra nataon’i Hakimi. Tsy nahovoka ny Real Madrid ka mbola ny frantsay indray no nanampy isa (87’) tamin’ny alalan’i Gonçalo Ramos taorian’ny fanafihana nataon’i Barcola, nanamafy tanteraka ny fandresen’ny PSG. Nofehezin’ny PSG ny lalao sy ny kianja, ka 68% ny fitazonam-baolina ho azy. Na dia teo aza ny fisian’i Vinicius Junior, Jude Bellingham, sy Mbappé, dia tsy nahavita nanohitra ny « pressing » na tsindry nataon’ny PSG i Real Madrid. Nisongadina ho anisan’ny tsara indrindra tamin’ny lalao i Fabian Ruiz, voatendry ho mpilalao mendrika indrindra na « MVP ». Hidona amin’ny famaranana ny 13 jolay 2025 izao, hihaona amin’ny ekipa anglisy Chelsea ny PSG. Ity klioba ity izay hita ho tafaverina amin’ny heriny, raha ny vokatra nasehony tamin’ity fifaninanana ity. Ny Flumunense klioba brezilianina izay ekipa isan’ny nisongadina na sokajiana ho « révélation » tamin’ity fifaninana ity no nahintsan’izy ireo (2-0) tamin’ny manasa-dalàna. Fanamby lehibe ho an’i Chelsea noho izany ity famaranana ity. Andaniny, ny Frantsay ihany koa dia hiezaka hanampy anaram-boninahitra fahadimy amin’ity taom-pilalaovana mahatalanjona ho azy ity: Ligue 1, Coupe de France, Trophée des Champions, Ligue des Champions, ary Coupe du Monde des Clubs.
Toky R 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Kianjan’i Mahamasina
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Kasaina hovaina bozaka

  • Kintan'ny Kitra Malagasy
  • Alatsinainy 16 Martsa 2026

Nodimandry i Dezy Ramasy

  • Raikitra ny « FIBA 3x3
  • Alakamisy 12 Martsa 2026

Champions Cup 2026 » Australie sy Etazonia no hidona

  • FIKAMBANANA PORTE BONHEUR
  • Talata 10 Martsa 2026

Hitily maimaimpoana ny

  • Disadisa eo amin'ny
  • Zoma 06 Martsa 2026

taranja ady totohondry

  • Barean'i Madagasikara
  • Alarobia 04 Martsa 2026

Hiatrika lalao ara-piralahiana miisa 2, raha kely

Hijery ny tohiny
FTT