Sport

Coupe du Monde 2022 - Faritra Afrika Hanomboka amin’ny volana martsa 2020 ny fifanintsanana


  • Alakamisy 02 Janoary 2020

Hanomboka amin’ny volana martsa 2020 ho avy izao ka tsy hifarana raha tsy amin’ny volana oktobra taona 2021 ny fifanintsanana baolina kitra aty Afrika

 

 

hahazoana mahalala ireo ekipam-pirenena Afrikana 5 hisolontena an’ity kaontinanta ity amin’ny fiadiana ny amboara eran-tanin’ny baolina kitra 2022 ho tontosaina any Qatar. Amin’ny faha-21 janoary 2020 any Le Caire no hatao ny antsapaka hoan’izany fifaninanana Afrikana izany ka firenena miisa 40 notsinjarana ao anaty « Chapeaux » 4 ahitana ekipam-pirenena 10 izy ireo. Mitarika an’izany ao amin’ny Chapeau 1 ireo ekipam-pirenena sangany ankehitriny aty Afrika ahitana an’i : Algérie, Sénégal, Tunisie, Maroc, Ghana, Egypte, Cameroun, Mali, RD Congo.

 

Chapeau 2 : Burkina-Faso, Afrique du Sud, Guinée, Ouganda, Cap-Vert, Gabon, Bénin, Zambie, Congo, Côte d’Ivoire

Chapeau 3 : Madagascar, Mauritanie, Libye, Mozambique, Kenya, Zimbabwe, Niger, « Afrique Centrale », Namibie, Guinée Bissau

Chapeau 4 : Malawi, Angola, Togo, Soudan, Rwanda, Tanzanie, Guinée Equatoriale, Ethiopie, Liberia, Djibouti.

 

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT