Sport

« Coupe du Maire » Antananarivo Renivohitra Hampiasa ny “Arbitrage Video”


  • Sabotsy 11 Aogositra 2018

Raikitra fa hotontosaina arak’ireo daty sy fandaharana efa novolavolaina tany am-boalohany ny fanatanterahana ny fiadiana ny Amboaran’ny Ben’ny tanànan’Iarivo 2018.

 Hanomboka rahampitso alahady 12 aogositra izany ka ho faranana amin’ny fanatanterahana an’ireo lalao famaranana rehetra amin’ny faha-26 aogositra 2018. Nitondran’ ireo tompon’andraikitra ao amin’ny CUA notarihan’ny lefitra voalohan’ny Ben’ny tanàna, Ramboasalama Emilien sy ny filohan’ny filan-kevitry ny tanàna, Andriambahoaka Faustin, tetsy amin’ny Lapan’ny tanàna tetsy Analakely omaly zoma 10 aogositra ny nandefasan-dry zareo taratasy fangatahana avy tany amin’ny Malagasy Rugby sy ny Analamanga Rugby tamin’ny 04 jolay 2018 teo ka ity farany ihany no namaly ny fankatoavana ny hanatanerahana izany fa iry voalohany tsy nahazoam-balin-teny mihitsy hatramin’izao. Ny tsy famaliana ny fangatahana anefa aminay dia midika fa manaiky, hoy izy ireo, ka izao hotanterahina eo ambany fiahian’ny Ligin’Analamanga taranja rugby izao ny hetsika. Notsiahivina tetsy Analakely tamin’io omaly ihany koa ny hampiasana “arbitrage video” amin’ireo lalao rehetra hatao mba hialana amin’ny gidragidram-pitsarana lalao miseho lany mandrakariva.

 

Fandaharan-dalao 1/2-famaranana alahady 12 aogositra 2018 , D-1 elite I :

Vondrona A : 9:30-Fta Anjanahary # Jst Ambondrona ; 11:30-Ftat Anosibe  #  Matadore Anosipatrana.

Vondrona B : 13:30-Tam Anosibe #  Ftma Flesy ; 15:00-Ftm Manjakaray # XV Family.

 

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT