Sport

« Coupe du 26 juin ASSCA » Raikitra ny ampahefa-dalana


  • Alakamisy 16 Jona 2016

Tapitra ny sabotsy 11 jona 2016 lasa teo ny fifanintsanana isam-bondrona amin’ny fifaninanana Foot ŕ 11 “COUPE 26 JUIN 2016 » karakarain’ny Amitie Sportive et Socio-Culturelle Avaradrano (ASSCA) eny amin’ny kianjan’ny kaominina Ankadikely.

Tanteraka ihany koa ny fivoriana niarahan’ny mpitantana ny A.S.S.C.A sy ny solontenan’ny klioba mandray anjara mialoha ny hiatrehana ny famaranna tao amin’ny CEG Ankadikely. Zava-dehibe telo no nodinihina, dia ny fanomanana ny ankatoky ny famaranana amin’ny “COUPE 26 JUIN 2016 », ny fanomanana ny “COUPE DE NOEL 2016 Foot à 11» izay hisy fiovana be satria dia hifantoka misimisy kokoa eo amin’ny sokajy 13, 15, 17, 20 taona ary ny vehivavy sy ny veteran no hampandraisina anjara ka hanasana ireo ekipa rehetra avy eto Analamanga. Ny farany dia ny firesahana ny Tournoi de Vacances National izay hotontosaina ny zoma 19 ka hatramin’ny alahady 28 aogositra 2016 eo amin’ny kianja Ankadikely ho an’ny sokajy 13, 15, 17 ary 20 taona. Ity farany moa dia ny sabotsy 2 jolay 2016 no fivoriana ao amin’ny CEG Ankadikely, manomboka amin’ny roa ora sy sasany tolakandro. Fandaharan-dalao ny sabotsy 18 jona 2016 :

Ampahefa-dalana :

Veteran : 8ora30 : JSA Antanety# RAVINALA Ambatomitsangana, 10ora30  : TANC Analamahitsy# AJAX Androhibe,

Senior :12ora30 :JSA Antanety#SOLDAT Ambohipanja, 4ora30 : GARAGE Ankadikely # MAXI Analamahitsy

VOKA-DALAO  :

Senior : MAXI Analamahitsy- FCA Ankadikely (4-0)

Sokajy 15 taona : 3FA Avaradrano- KFA Analamahitsy (0-0)

Sokajy 17 taona : 3FA Avaradrano- FC KIKI Analamahitsy (2-1)


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i MaĂ®tre
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT