Sport

Coupe de Vacances 2018 Any Mahajanga indray mihaona


  • Alatsinainy 27 Aogositra 2018

Nifarana omaly alahady 26 aogositra 2018 ny fifaninanana baolina kitra niadiana ny amboara « Coupe de Vacances 2018 » nokarakarain’ny klioba 3FA teny amin’ny kianjan’ny kaominina Ankadikely Ilafy ny 20-26 aogositra 2018 ka nanasongadinana indrindra ny talentan’ireo katitakely sy tanora.


Saika nisongadina ireo ekipa avy amin’ny Faritra Analamanga tamin’ity fifaninanana ity raha nihintsana tany amin’ny 1/4-dalana kosa ny U 12 sy U 15 avy any Betsiboka ary nihintsana tany amin’ny 1/2-dalana ny U 23 an-dry zareo. Nibata ny amboara tamin’ity andiany 2018 ity ary teo amin’ny sokajy Débutant ny Boca II nandresy 2-0 ny 3Fa. Sokajy U 10 ny Jsa Ankadikely nandavo 1-0 ny Fc 417 Sab Nam. Sokajy U 13 ny Jsa Ankadikely ihany nandresy 1-0 ny Erasa Antanandrano. Sokajy U 15 ny Ersa Antanandrano nandresy ny 3Fa Avaradrano 1-0. Sokajy U 17 ny Bayern Est Mananjary nandavo ny Fc 417 Sab Nam 1-0. Sokajy U 20 ny La Fermata Amboditsiry nandresy ny Sll Ankadikely tamin’ny tirs au but 4-3. Sokajy U 23 ny Fce Ilafy nandavo an’ny 3Fa Avaradrano 1-0. Any Mahajanga indray mihaona ny rehetra amin’ny “Tournoi de Vacances Dandji/3Fa 2018” hotontosaina amin’ny volana septambra 2018 izao.

 

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sport

  • Ekipa nilalaovan'i Maître
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Kira farany

  • Kitra_Fitantanana tsy manjary
  • Zoma 18 Septambra 2026

Mpilalao Frantsay efa nanambany

  • Kitra - Barea
  • Zoma 18 Septambra 2026

Nankahery an'i Sonny Laiton i Lalaina Nomenjanahary

  • Marary i Maitre Kira
  • Zoma 18 Septambra 2026

Miantso tolo-tanana ny akaiky azy

  • FIBA 3x3 U23 World Cup
  • Zoma 18 Septambra 2026

Fandresena 1 sy faharesena 3 no azon'ny Ankoay

  • Ligue des Champions CAF
  • Alatsinainy 14 Septambra 2026

Tafita amin'ny fiodinana faharoa ny CFFA

Hijery ny tohiny
FTT